|
|
|
|

Teny iditra manombana (tombana)
Sokajin-teny mpamaritra
 Enti-milaza ny orana izay miseho ho toy ny efa ho avy amin' ny tselatselatra hita ery amin' ny vodilanitra lavitra [1.1]
Ohatra Tselatra tahaka ny lanitra manombana amin' ny fahavaratra sisa atopan' ny afon-tseranana, hahalalana ny misy an' i Toamasina. [2.471]

Teny iditra manombana (tombana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Manondrotra ambony ny vidin-javatra iray mba hahazoana tombony ihany na efa andatsahana aza eo amin' ny ady varotra: Tsy manombana mihitsy aho fa ariary roa monja no azoko amin' izany
Maminavina: Tsy haiko ny manambana ny fatiantoka nihatra tamiko tamin' ny nahamay ny fiarakodiako sy ny entana tao anatiny
Manao ho zavatra: Mahay manombana ny soa natao azy io tovolahy io [1.1]
 To appraise, to estimate [1.7]
 évaluer, apprécier [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manombana
Ny lasa : nanombana
Ny hoavy : hanombana
Filaza mandidy : manombàna

Teny iditra manombàna (tombana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manombana [Fitanisana]
  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2022/09/05