|
|
|
|

Teny iditra manonona (tonona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Manambara amin' ny feo: Tsy hain' Isambilo ny manonona ny hoe "tsa"
Milaza (anaran' olona): Aza fady, tompoko, fa nanonona ny anaranao aho
Milaza (anaram-bola): Nanonona telo arivo Rakoto tamin' ny vokatra [1.1]
 To pronounce, to speak a name [1.7]
 Prononcer [1.8, 1.5]
 Dire le nom de quelqu'un [1.8]
 Dire le nom [1.5]
Ohatra 
1Nisaotra ny olona rehetra namaly ny fiantsoana izy, ary nanonona anarana sy nampiseho tsirairay ireo olona rehetra teo akaikiny. [2.472]
2Ary ny olona aty Merina kosa manonona ireo andro 7 ireo hoe: [2.48]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manonona
Ny lasa : nanonona
Ny hoavy : hanonona
Filaza mandidy : manonòna

Teny iditra manonona (onona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Manony, manaketraka, mampitony, manalefaka: Manonona ny alahalo [1.1]
 Calmer, apaiser [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manonona
Ny lasa : nanonona
Ny hoavy : hanonona
Filaza mandidy : manonòna

Teny iditra manonòna (onona, tonona)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manonona [Fitanisana]
  [1.1]
  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20