| Teny iditra |
mifanena
(tsena)
|
| Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
| | Mifankahita sendrasendra toa nitsena ny iray ny iray; miara-tonga amin' ny toerana iray, mifanojo, mifanehatra: Nifanena teny andalana izahay sy ny mpampianatra anao [1.1]
|
| | Se rencontrer réciproquement [1.107]
|
| Ohatra |
| 1 | Raha mba mijery ireo mantsy izy, ka mifanena any ny masonay.
[2.324]
|
| 2 | Ohatra ny olon-dratsy daholo ny fahitako izay mifanena amiko rehetra.
[2.4]
|
| 3 | Rariny ve raha hatobaka eo an-tongotr’ izay mifanena aminao voalohany izany harem-be saro-bidy izany, satria tia ianao?
[2.5]
|
|
| Haiendriteny |
| Ny ankehitriny : |
mifanena |
| Ny lasa : |
nifanena |
| Ny hoavy : |
hifanena |
| Filaza mandidy : |
mifanenà |
|
|
| Teny iditra |
mifanenà
(tsena)
|
| Sokajin-teny | filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mifanena
|
| | [1.1]
|
| | [1.3]
|
|