| Teny iditra |
mihenjana
(henjana)
|
| Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
| | Mihinjitra mahitsy miridiridy: Tsy mbola mihenjana tsara ity tady ity Miridiridy tsy mety miketraka amin' ny heviny: Tsy tokony hihenjana loatra ianao fa mety ho azo atao ihany ny mifampiraharaha Manohitra: Nihenjana izy nony vao nandre izany teniko izany [1.1]
|
| | Tendu [1.3, 1.13]
|
| | Se raidir, être raide, vigoureux Fig. résister, se raidir contre [1.3]
|
| Ohatra |
| 1 | Tsy maintsy mihenjana isika vehivavy.
[2.528]
|
| 2 | Mihenjana ny hery rehetra hanetra ny sarotra sy ny mafy, ka tsy ho kivy hanefa ny adidy.
[1.224]
|
| 3 | Izany no abidian' ny fahendrena: tsy mihoatra atsy tsy mihoatra aroa, tsy mihenjana loatra ary tsy miketraka loatra.
[2.296]
|
|
| Haiendriteny |
| Ny ankehitriny : |
mihenjana |
| Ny lasa : |
nihenjana |
| Ny hoavy : |
hihenjana |
| Filaza mandidy : |
mihenjàna |
|
|
| Teny iditra |
mihenjàna
(henjana)
|
| Sokajin-teny | filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mihenjana
|
| | [1.1]
|
| | [1.3]
|
|