| Teny iditra |
mijaingijaingy
(jaingijaingy (jaingy))
|
| Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
| | Mandehandeha irery; mandeha mirepirepy sy toa miahotrahotra, mandeha amin' ny famindra madinidinika nefa toa mangozohozo, mitongilana toa hianjera, marary: Nijaingijaingy tahaka ny akoho voakapoka izy niala avy tao Mamindra toa mitsipitsipika: Lasa nijaingijaingy ny anao lahy nony voatonona ny anarany [1.1]
|
| Ohatra |
| 1 | Indraindray alim-pody avy ao amin-dRasoa mianakavy izy ka indry mijaingijaingy samirery mamaky ny lalan-kely mankeny aminy.
[2.470]
|
| 2 | Hafa manko izany teo aloha : raha avy manao fanadinana dia lasa mijaingijaingy irery mamonjy sakafo tany amin' ny "restaurant.
[2.356]
|
|
| Haiendriteny |
| Ny ankehitriny : |
mijaingijaingy |
| Ny lasa : |
nijaingijaingy |
| Ny hoavy : |
hijaingijaingy |
|
| Tovy hevitra | |
| Tsipelina hafa |
|