|
|
|
|

Teny iditra mikarakara
Sokajin-teny mpamaritra
  [Bezanozano] misaritaka [1.78]

Teny iditra mikarakara (karakara)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mitandrina, manao izay hahasoa fatratra sy manokana: Mikarakara tokoa ny vadiny Ramatoa iny
Miahy, miraharaha: Tsy natao hikarakara ny baolina aho
Manamboatra, manomana: Efa misy mikarakara ve ny sakafon' ny vahiny
Mifehy, mitondra, manapaka: Iza no mikarakara ity faritany ity? [1.1]
 To take care of, to look after [1.7]
 Prendre soin de; se charger de [1.8]
Ohatra Ny toe-pahasalaman' ny toby dia ny mpimasy no mikarakara azy. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mikarakara
Ny lasa : nikarakara
Ny hoavy : hikarakara
Filaza mandidy : mikarakarà

Teny iditra mikarakarà (karakara)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mikarakara [Fitanisana]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20