|
|
|
|

Teny iditra mikaretsaka (karetsaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mandalo haingana, tsy hitahita akory: Misy voalavo mikaretsaka eran' ny trano izao antoandro be izao
Mitsoriaka, mandeha vetivety: Lasa nikaretsaka any an-tsena izy
Mihazakazaka haingana dia haingana: Mikaretsaka io soavaly io
Maka, mangalatra amim-pahakingana: Nisy nikaretsaka ny bokiko teto [1.1]
 To pass or move rapidly [1.7]
 Passer rapidement, s'élancer [1.8]
Voambolana 
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mikaretsaka
Ny lasa : nikaretsaka
Ny hoavy : hikaretsaka
Filaza mandidy : mikaretsaha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20