|
|
|
|

Teny iditra misaka (saka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Maka, mihalotra (foza na orana) amin' ny tanana ao anaty lavany [1.1]
Ohatra Fanalana andro ny ankizy ny fanondrahana anana isan' andro tsy tapaka ka ahazoany maisambo-tsikovoka sy misaka pirina amin' ilay dobokely fakan-drano. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misaka
Ny lasa : nisaka
Ny hoavy : hisaka
Filaza mandidy : misakà

Teny iditra misaka (saka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mandray (lehilahy) amin' ny ankasarotany raha miady aminy [1.1]
Ohatra Mahavita misaka na manosika ny olona raha tiany. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misaka
Ny lasa : nisaka
Ny hoavy : hisaka
Filaza mandidy : misakà

Teny iditra misaka
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
  [Taisaka] Milaza [1.78]

Teny iditra misakà (saka)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao misaka [Fitanisana]
  [1.1]
  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2015/09/08