|
|
|
|

Teny iditra takoritsoka (ritsoka)
Sokajin-teny anarana
 Teny tsy atao ren' ny olona maro
Tsaho mandeha an-katakonana [1.1]
 A rumour, a whisper [1.2]
 Chuchotement, bruits qui circulent en cachette [1.3]
Sampanteny 

Teny iditra takoritsoka (ritsoka)
Sokajin-teny anarana
 Zavamaneno akatroka mitovy feo amin' ny "castagnette": sotro hazo roa no tazonin' ny tanana havia ary atao mifampiankina ny vohony; sotro hazo iray hafa kosa no tazonin' ny tanana havanana eo amin' ny lelany, fa ny tahony no atsofoka sy avoaka eo anelanelan' ireo sotro roa voalohany ka manaraka ny ngadon-kira. Tsy mba maneno mafy fa toy ny mibitsibitsika fotsiny ny feon' ny sotro hazo, ka izany angamba no nanaovan' ny Ntaolo azy hoe takoritsoka; ankehitriny dia sotro vy no ampiasaina [1.1]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2025/04/28