|
|
|
|

Teny iditra volo
Sokajin-teny anarana
 Zavatra lava madinika kely ohatra ny kofehy tantra maniry amin' ny faritra sasantsasany amin' ny tenan' ny olombelona na ny biby ary na dia ny zavamaniry aza: Be volon-tratra io lehilahy io ~ Be volo mahafinaritra ny amboan' i Bary ~ Ataon' ny olona fanafody ny volon-katsaka
Volon-doha: Efa lava ny volon' ise ka andeha mba hampanetezo [1.1]
 Hair
Feathers
Moss [1.7]
 Cheveux, poil
Plume
Mousse [1.8]
 Chez les animaux et l'homme : poils ou plumes, cheveux, etc.
Chez les plantes : poils et duvets des feuilles et des tiges.
Les mousses et autres petites plantes arboricoles sont elles-mêmes assimilées à des poils sous le nom de volon-kazo [1.196]
Ohatra 
1Tsy maintsy hetezana fohy mantsy aloha ny volo, izay vao kolaina. [2.472]
2randranina madinika ny volo ny reninjaza; [2.48]
Haiendriteny 
Tsotra : volo, voloko, volonao, volony, volontsika, volonay, volonareo, volon', volon-, volom-
Tovonana : -bolo, -boloko, -bolonao, -bolony, -bolontsika, -bolonay, -bolonareo, -bolon', -bolon-, -bolom-
Lahatsoratra 

Teny iditra volo
Sokajin-teny anarana
 Lokon-javatra na biby: Toy inona no volon' ilay ombinareo very izay? ~ Ity lamba tanora volo ity entinao fa tena manendrika anao mihitsy [1.1]
 Color [1.7]
 Couleur [1.8]
 Couleur, teinte, aspect naturels ; les couleurs obtenues par teinture s'appellent au contraire : loko. [1.196]
Tsanganana sy sary iray takila Ny Loko
Soratr' omby

Teny iditra volo
Sokajin-teny anarana
 Endrika, tarehy: Tsy volon' olona handeha akory ianao izany! [1.1]

Teny iditra volo
Sokajin-teny anarana
 Karazan-javamaniry fahita amin' ny tany mafana, manana toetra manokana: ny tahony tsoa-tokana tsisy rantsany, mavo malamalama, poaka aty, nefa misy tonony, mety ho voafihin' ny rantsantanana roa ny habeny, ary ny raviny etiety kely maranitra. Maro karazana ny volo: ny voloandotra, ny voloandritra, ny volodia, ny volodiosy, ny volosanga, ny volosy, ny volotara, ny bararata, ny volotsangana, ny volovaliha, ary ny volovato [1.1]
 Bamboo [1.7]
 Bambou [1.8, 1.13]
 Roseau [1.8]
 Nom générique des bambous. L. A. Chapelier a relevé anciennement ce nom sur la côte Est pour un bambou autochtone, Ochlandra capitata (Kunth) E.G. Camus ( = Nastus capitatus Kunth) « c'est le bambou dont la tête retombe en panache » écrit-il. Mais ce nom s'applique également aux espèces introduites : Bambusa barbata Trin., Bambusa capitata Trin., Dendrocalamus strictus (Roxb.) Nees, (Poaceae). Ce nom est même étendu aux grandes Poaceae dont les chaumes dépassent souvent 2 m de haut. [1.196]
Voambolana 
Anarana ara-tsiansa Bambusa barbata, Bambusa capitata, Dendrocalamus strictus, Ochlandra capitata
Mpanahaka  volotsangana
Sary 

Teny iditra volo
Sokajin-teny anarana
 [racine ancienne] action de préférer, de tirer, de sélectionner [1.196]
 Au sens figuré : préférence, attitude partiale. Exemple : mivolo zanaka : faire des discriminations entre ses enfants [1.196]

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/01