Teny iditra | 1 Andranobevava |
Singan-teny | 2 rano, be, vava |
Sokajin-teny | 3 anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.10#37.2] renirano eo afovoan' ny hetrina malalaka, anelanelan' ny rambon-tanin' Amboditsiry sy ny an' Analamahitsy, vakin' ny arabe mianavaratra (Antananarivo-Ambohimanga). Ny lohan' io renirano io dia any akaikin' Andraisoro, mandeha mianavaratra ny anankiray, ary ao Ambodiakondro, mandeha miankandrefana ny anankiray; mihaona eo akaikin' i Nanisana izy roa ireo, ary hatreo ka mandra-pidiny amin' ilay lahindrano eo atsimon' Ivandry, no iantsoana azy ho Andranobevava. -- Tany aloha, raha mbola tsy voaisy fefiloha ity renirano ity, dia nanafotra ny hetrina teo an-daniny roa ny tondraka amin' ny fahavaratra, ka manjary hoatra ny lehibe ny vava-rano; izany no nahatonga ny anarany ho Andranobevava. Ny nampahalaza azy indrindra anefa dia satria io no "rano" naha-avara-drano an' Avaradrano. |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [3.1] limite sud du territoire d'Avaradrano |
Voambolana |
6 Haitoetany: renirano, farihy |
Nohavaozina tamin' ny 2024/12/10 |
![]() |