Teny iditra (1/2) | 1 andriamanitra |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny anglisy |
3 [1.7] a god (sometimes used of the ancestors) |
Fanazavàna teny frantsay |
4 [1.3] dieu. Autrefois on donnait ce nom aux objets du culte superstitieux, et aux bonnes choses, comme nous disons divin pour exprimer une qualité supérieure 5 [1.8] un dieu (se dit parfois des ancêtres) |
Ohatra |
6 Ny vodiny nomeny ny andriamanjaka, fa izany no ataony ho andriamanitra hita-maso. [2.293] |
Voambolana |
7 Fivavahana, finoana |
Kamban-teny |
|
Teny iditra (2/2) | 11 Andriamanitra |
Sokajin-teny | 12 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
13 [1.1] Anarana niantsoan' ny Ntaolo ireo hery miafina ambonin' ny zavaboary ka nahatonga ny fiteny hoe Andriamanidahy sy Andriamanibavy Ilay lehibe indrindra amin' ireo hery ireo, izay navahany amin' ny fiantsoana azy manokana hoe Andriamanitra-Andriananahary, ka voalazany fa: a) tsy maintsy inoana: Manao an' Andriamanitra tsy misy ka mitsambiki-mikimpy b) nahary tongotra aman-tanana ny olombelona d) mahalala ny zavatra rehetra: Avo fijery Andriamanitra ka mahita ny takona e) manohy mitahy ny olombelona hatrany hatrany: Ny iray tahitahin' Andriamanitra ny iray tahitahin' olombelona f) marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara: Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana g) tsara fo: Tsy misy tsy hitan' Andriamanitra saingy minia miondrika izy h) fototry ny lalàm-pitondran-tena: Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao antampon' ny loha Razana araka ilay fiteny iantsoana ny maty hoe: Lasan-ko Andriamanitra Ny masoandro, izay lazaina amin' ilay fotoana mitsidika andro iny hoe: Andriamanitra mby an-trano |
Fanazavàna teny anglisy |
14 [1.2] God. The word up to recent times was used in speaking of idols, charms, the deceased sovereigns, the reigning sovereign, anything valuable or wonderful; in these latter sense it seems equivalent to divine, supernatural, extraordinary, or surpassingly excellent. It is still so used in the more distant parts of the island, and among the unenlightened people of the central province even. It is said that the name was so given because while the body might not be seen, there was a fragrancy attending the name. See zanahary 15 [1.7] God |
Fanazavàna teny frantsay |
16 [1.3, 1.8, 1.5] Dieu 17 [1.3] Le Créateur |
Ohatra |
18 Fa maninona re izahay, andriamanitra, no dia nidiran-doza toy itony! [2.324] 19 Hafahafa ihany ny soratr' aretiny ary tsy fantatra rahateo izay sitrapon' andriamanitra. [2.470] |
Voambolana |
20 Soratra Masina |
Haiendriteny |
|
Mpanahaka | 22 andtra, andriananahary, zanahary |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 36 Ohabolana misy io teny Andriamanitra io |
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly | 37 Toko sy andininy momba Andriamanitra |
Lahatsoratra |
38 Randzavola: Diksionera amin' ny Baiboly: Andriamanitra |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02 |
![]() |