Teny iditra tsangambato (tsangana, vato)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Vato ajoro ho fahatsiarovana miaramila maty an' ady tany lavitra ka tsy hita ny taolambalony [Rajemisa 1985]
 vato lehibe ajoro ho fahatsiarovana ny olona maty tany an' ady na noho antony hafa ka tsy hita ny taolambalony [Akademia 2005]
Famaritana anglisy a gravestone, cenotaph, tombstone; a stone set up on end as a memorial of some event [Richardson 1885]
 a monument [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay pierre ou monument commémoratif [Hallanger 1974]
Teny mitovy hevitra vatolahy
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Vorodamba efa tontan' ny ela no misarona ilay tsangambato (A. Rajon) []
2lo no tsangambato tsy levona mariky ny nanapahan' ny Hova azy. [Rajaonarivelo: Bina, takila 80]
3Maro ny tsangambato navelany izay ataon' ny olona hoe Vatonkimosy. [Randriamamonjy: Tantara, takila 30]
4Nanorina tsangambato teo akaikin' Ambaiboho, teo amin' ny moron' i Sahabe, ny mponin' Antsihanaka atsimo, ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana aminy namoy aina tao amin' ilay renirano manan-tantara. [Andraina: Mitaraina, takila 264]
Teny nalaina 
Sary 

Teny iditra tsangambato (tsangana, vato)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Zavatra tokony hotsarovana, asa mendrika hotadidina, andro lehibe na malaza tsy hohadinoina [Rajemisa 1985]
 asa mendrika hotadidina sy hotsarovana mandrakariva, andro manan-daza tsy tokony hohadinoina [Akademia 2005]
Ohatra Ny boky no tsangambato avelan' ny mpanoratra ho an' ny taranaka [Rajemisa 1985]

Teny iditra Tsangambato (tsangana, vato)
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Voambolana 
Haianarantany tsangana, vato

Teny iditra Tsangambato
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky na teatira)
Famaritana malagasy jereo Randriamaromanana: Tsangambato
Mpanoratra 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

2017/10/19