|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  abi
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  Fitambaran'ny tarehintsoratra misy amin'ny fitenim-pirenena iray: Misy tarehintsoratra iraika amby roapolo amin'ny abidy malagasy: a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, r, s, t, v, y, z.
4  Ny fotopototry ny zavatra na ny fahaizana iray, ny antonjavatra resahina na lazaina:Miteniteny momba ny bomba atomika Rangahy io, kanefa tsy mahalala ny abidin'izany akory.
5  Ny ambaratongam-pianarana ambany indrindra ianaran'ny ankizy manambatra tarehintsoratra, manao bi-a-ba: Efa kilasy fahafiry izao ilay faralahinao? -- Mbola ao amin'ny abidy ny anao ko. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  The name of the Malagasy Alphabet, so called from the names of the first three letters [1.2]
7  The alphabet [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8  Nom de l'alphabet malgache [1.3]
9  alphabet [1.66, 1.5]
10  L'alphabet [1.8]
11  (un) alphabet. Miainga amin' ny abidy ny soratra sy ny vaky teny: l'écriture et la lecture commencent par l'alphabet [1.67]
Fanazavàna teny italianina  12  Alfabeto [1.18]
Fanazavàna teny alemà  13  Alphabet. Von der Westgriechen stammt das lateinische Alphabet und damit auch unsere heutige Schrift. Zavatra alahatra araka ny abidỳ: etwas nach dem Alphabet ordnen. Synonym: Buchstabenreihe (f), ABC. [1.56]
Ohatra  14  Sorabe: teny malagasy nosoratana amin' ny abidy arabo [2.117]
15  Maniry mafy izahay mba hahazo fianarana abidy sy manambatra ary fianarana hamany teny. [2.649]
16  Fanehoana an-tsary ireo abidy sy fanolorana ireo mpandray anjara fototra ao amin' ireo lahatsoratra no mamaky lay ny boky. [2.442#4]
Haiendriteny 
17  Tsotra :
Tsipelina hafa  18  abede
Kamban-teny 
Lohateny  23  Abidin' ny Baiboly (Randrianasolo Bernard)
24  Ny Abidin' ny toaka (Rajaonary)
Teny nalaina  25  Soratra misy io teny abidỳ io
Tsanganana sy sary iray takila  26  Ny abidia
Sary 
27 

Teny iditra (2/4)28  abidy
Sokajin-teny  29  anarana
Fanazavàna teny malagasy  30  Vavy antitra [Betsimisaraka] [1.78]
31  antibavy [Betsimisaraka] [1.147#A1]

Teny iditra (3/4)32  abidy
Sokajin-teny  33  anarana
Fanazavàna teny malagasy  34  andevo [Betsileo] [1.78]
Kamban-teny 

Teny iditra (4/4)36  abidy
Sokajin-teny  37  anarana
Fanazavàna teny anglisy  38  A provincial name for a water-bird. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  39  Nom d'un oiseau aquatique. [Tankarana] [1.19]
Voambolana  40  Haibiby: vorona

Fivaditsoratra  41  abidy, abidỳ, adiby, abidy, abidỳ, adiby

Nohavaozina tamin' ny 2023/12/11