Teny iditra adidy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Zavatra tsy maintsy atao takin' ny raharaha iandraiketana, ny toerana misy ny tena na ny fifandraisana amin' ny hafa: Adidin' ny mpitondra ny mifehy tsara ny firenena sy manao izay hampanan-karena ny tany./ Tsarovy fa adidinao manankanaovana ny manampy ireo fadiranovana
Henatra, andraikitra
Tsiny, soketa: Manana adidy ianao raha manao izany
Zavatra ekena hatao mba ho fanasoavana ny hafa: Ny adidy tsy an' olon-dratsy. [1.1]
 Zavatra tokony hotanterahina ka ananan-tsiny ny tsy fahavitana azy [1.13]
Fanazavàna teny anglisy Responsibility; blame, censure [1.2, 1.7]
 Something for which one is held responsible. See andraikitra [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Devoir [1.3, 1.8, 1.13, 1.5]
 Responsabilité [1.3, 1.8, 1.5]
 Blâme, censure [1.3, 1.8]
Ohatra 
1Adidinao ny mifehy tsara ny fianakavianao (Votre devoir est de bien gouverner votre famille) [1.3]
2Adidinao ny ahatongavan' ireo mpiasa ireo (Vous êtes responsable de l'arrivée de ces ouvriers) [1.3]
3Avy eo ny filazana vaovao sy ny adidy samihafa. [2.470]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : adidy, adidiko, adidinao, adidiny, adidintsika, adidinay, adidinareo, adidin', adidin-, adidim-
Sampanteny 
 
Tovy hevitra fondro ~ soketa ~ tsiny
Kamban-teny 
Lohateny Adidy miafina (Rapatsalahy Paul)
Adidy nandresy fitiavana Tritriva (Rabetsimandranto Fidelis-Justin)
Ohabolana 

Teny iditra adidy (didy)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Entina mandidy, ampiasaina handidiana: Aza dia ny vohon'antsy re no adidy itỳ voasary e! [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Used of that with which anything is cut [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Avec quoi on coupe, on découpe: Io antsy io no adidinao ny vorontsiloza (C'est avec ce couteau que vous devez découper le dindon) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : adidy, adidiko, adidinao, adidiny, adidintsika, adidinay, adidinareo
Ny lasa : nadidy, nadidiko, nadidinao, nadidiny, nadidintsika, nadidinay, nadidinareo
Ny hoavy : hadidy, hadidiko, hadidinao, hadidiny, hadidintsika, hadidinay, hadidinareo
Filaza mandidy : adidio
Ohabolana 

Teny iditra adidy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] Fanambarana fa tanin'olona, kalo [1.78]

Nohavaozina tamin' ny 2024/01/26