|
|
|
|

Teny iditra1  ady varotra
Singan-teny  2  ady, varotra
Sokajin-teny  3  kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] fifamaliana ataon' ny mpivarotra sy ny mpividy momba ny vidin' entana ka ny mpividy mangataka mba hahenan' ny mpivarotra io vidiny io, ny mpivarotra kosa tsy mety mampihena avy hatrany; fifamalian' ny mpividy sy ny mpivarotra momba ny vidin-javatra; teny ifampiraharahana: "Izaho, hoy Andrianampoinimerina, tsy manana ady varotra aminareo";
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.2] Disputation as to price, bargaining, stipulating the price.
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3, 1.5] marchandage
7  [1.3] débat du prix
Ohatra  8  Fa izaho tsy manana ady varotra aminy, fa soa ifamaliana ny anay sy ny azy. [2.298#54]
9  ady varotra lava be, fotoana ifanomeana miverimberina ary amin' ny toerana samy hafa, vao azo ny tapa-damba anankiray. [2.472#116]
10  tsy mahay ady varotra akory hianao (tu ne sais pas marchander) [1.3]
Tsipelina hafa  11  adivarotra

Fivaditsoratra  12  adivarotra, ady varotra, odivaratra, ody varatra

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21