Teny iditra afafy (fafy)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza ny voa atao fafy: Vary lava no nafafiko taona itsỳ
Enti-milaza rano atsipy amin' ny tanana ka mipariaka amin' ny zavatra na olona rehetra manodidina: Rano no nafafin' ny dadabe taminay raha nitso-dranoanay izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be sown. Used of that which is cast, as the seed. [1.2]
Ohatra 
1Rehefa tsy afafy ny masomboly dia atsatoka. [2.117]
2sasany koa ny nonony dia afafy miakatra koa. [1.353]
3Tsy vola afafy tany tsy akory ny vola omeina an' i Jesosy. [2.649]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : afafy, afafiko, afafinao, afafiny, afafintsika, afafinay, afafinareo, afafin', afafin-, afafim-
Ny lasa : nafafy, nafafiko, nafafinao, nafafiny, nafafintsika, nafafinay, nafafinareo, nafafin', nafafin-, nafafim-
Ny hoavy : hafafy, hafafiko, hafafinao, hafafiny, hafafintsika, hafafinay, hafafinareo, hafafin', hafafin-, hafafim-
Filaza mandidy : afafazo
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/19