Teny iditra ahantona (hantona)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Apetaka amin' ny zavatra ambony toerana, dia avala hihevaheva, hikiraviravy; akiraviravy; akirazorazo: Ahantony kely ny satroko ~ Taloha nahantona no famonoana ny olona voaheloka ho faty
Atsahatra, aato: Nahantona kely aloha ny raharaha [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be hung or suspended; to be hanged [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on pend, qu'on suspend [1.8]
Ohatra 
1dia ahantona eo amin' ny talaom-varavarambe. [2.857]
2ny rambony kosa dia ahantona ao ambonin' ny maty. [2.436]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : ahantona, ahantoko, ahantonao, ahantony, ahantontsika, ahantonay, ahantonareo, ahanton', ahanton-, ahantom-, ahanto-
Ny lasa : nahantona, nahantoko, nahantonao, nahantony, nahantontsika, nahantonay, nahantonareo, nahanton', nahanton-, nahantom-, nahanto-
Ny hoavy : hahantona, hahantoko, hahantonao, hahantony, hahantontsika, hahantonay, hahantonareo, hahanton', hahanton-, hahantom-, hahanto-
Filaza mandidy : ahantony
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/19