Teny iditra alefa (lefa)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Asaina, avala mandeha: Nalefany tany Amerika ny zanany
Atoraka, atsipy: Nalefako ilay vato ka voa ilay voronkely ~ Alefaso ny baolina
Afahana, votsorana: Alefaso ilay voronkely azonao omaly fa mampalahelo ~ Nalefon' ny fanjakana ireo gadra politika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be released; to be sent or shipped; to be sent on its way [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on lâche, qu'on relâche; qu'on expédie; qu'on laisse partir; qu'on envoie [1.8]
Ohatra 
1Maro ny fandaharana alefa ao. [2.117]
2rehefa vita ny adiny, dia alefa fotsiny izy; [2.366]
3Tantara tsangana izy ity, nefa kosa tantara azo alefa amin' ny onjam-peo. [2.285]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : alefa, alefako, alefanao, alefany, alefantsika, alefanay, alefanareo, alefan', alefan-, alefam-
Ny lasa : nalefa, nalefako, nalefanao, nalefany, nalefantsika, nalefanay, nalefanareo, nalefan', nalefan-, nalefam-
Ny hoavy : halefa, halefako, halefanao, halefany, halefantsika, halefanay, halefanareo, halefan', halefan-, halefam-
Filaza mandidy : alefao, alefaso
Kamban-teny 

Teny iditra alefa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Bara] Vanja indray mandeha [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20