Teny iditra ambanana (ambana)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Anaovana fihetsehana mody mamely: Nambanako ny tehina ilay alika dia nandositra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be pretended to be struck at [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Qu’on menace: Nambanana tamin’ ny tehina izy, ka nihataka tery (Il a été menacé avec le bâton et s’est écarté aussitôt) [1.3]
Ohatra Manaraka izany dia misy zaza efa voadidy foitra asaina mipetraka eo ambony tary ka mody ambanana ilay antsy. [2.436]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : ambanana, ambanako, ambananao, ambanany, ambanantsika, ambananay, ambananareo, ambanan', ambanan-, ambanam-, ambana-
Ny lasa : nambanana, nambanako, nambananao, nambanany, nambanantsika, nambananay, nambananareo, nambanan', nambanan-, nambanam-, nambana-
Ny hoavy : hambanana, hambanako, hambananao, hambanany, hambanantsika, hambananay, hambananareo, hambanan', hambanan-, hambanam-, hambana-
Filaza mandidy : ambano
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20