Teny iditra amen > amena
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Teny hebrio izay fahita amin' ny fiafaran' ny vavaka fanaon' ny kristianina, ka ny heviny dia hoe: Ho tanteraka anie izany [1.1]
Ohatra 
1Vita ny Amena, dia tapitra ny ainy. [2.649]
2Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena. [2.996]
Voambolana 
Lohateny Amena (Raoely James)

Teny iditra amen > Amena
Singan-teny amena
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Raoely James
Lahatsoratra 
Tsy avona akory no mitondra
iny rahona iny hisavoana,
Fa mba toa azy koa ny foko,
maniry hisondrotra ambony!

Tonga ny taona vaovao
mitondra hira mavokely
hokaloin'ny voron'alina,
sombinaiko ô, mifohaza!

Avelao ny alahelo sy ranomaso
hoentin'ny reniranom-panadinoana,
Fa misy kintana iray baliaka
toy ny masonao diavolana,
hitarika antsika ho teraka indray
ao amin'ny fanantenana vaovao.

Amin'ny tany triatran'ny ririnina
no hamelatra indray ny voninkazo.

Sombinaiko ô, iriko ho anao
taona iray feno hanitra sy hira.
Iriko ho anao lanitra menafify
hampialona ny laoranjy masaka,
sy feon-dokanga mihararetra, miakatra
toy ny vavaky ny ankizy hatory.
Iriko ho anao ny fotoana mamy
hiverenan'ireo lasan-davitra;
ary ny tanana iray malefadefaka
hitondra safosafo eo an-dohanao
mivesatra ny onjan'ny tany.

Dia hiarahantsika manandratra
Ny Amena fiton'ny fitiavana .
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Fivaditsoratra 

Teny iditra amen > amena
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Teny hebrio izay fahita amin' ny fiafaran' ny vavaka fanaon' ny kristianina, ka ny heviny dia hoe: Ho tanteraka anie izany [1.1]
Ohatra 
1Vita ny Amena, dia tapitra ny ainy. [2.649]
2Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena. [2.996]
Voambolana 
Lohateny Amena (Raoely James)

Teny iditra amen > Amena
Singan-teny amena
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Raoely James
Lahatsoratra 
Tsy avona akory no mitondra
iny rahona iny hisavoana,
Fa mba toa azy koa ny foko,
maniry hisondrotra ambony!

Tonga ny taona vaovao
mitondra hira mavokely
hokaloin'ny voron'alina,
sombinaiko ô, mifohaza!

Avelao ny alahelo sy ranomaso
hoentin'ny reniranom-panadinoana,
Fa misy kintana iray baliaka
toy ny masonao diavolana,
hitarika antsika ho teraka indray
ao amin'ny fanantenana vaovao.

Amin'ny tany triatran'ny ririnina
no hamelatra indray ny voninkazo.

Sombinaiko ô, iriko ho anao
taona iray feno hanitra sy hira.
Iriko ho anao lanitra menafify
hampialona ny laoranjy masaka,
sy feon-dokanga mihararetra, miakatra
toy ny vavaky ny ankizy hatory.
Iriko ho anao ny fotoana mamy
hiverenan'ireo lasan-davitra;
ary ny tanana iray malefadefaka
hitondra safosafo eo an-dohanao
mivesatra ny onjan'ny tany.

Dia hiarahantsika manandratra
Ny Amena fiton'ny fitiavana .
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Fivaditsoratra 

amen   
amena

amen   
amena