|
|
|
|

Teny iditra1  ampongalahy
Singan-teny  2  amponga, lahy
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Amponga misy hoditra roa: ny ilany tsy faranana fa avala hikopaka toy ny ravin-tsofina, ny ilany mitovy amin' ny amponga tsotra izao ihany. Ny felatanana havia no mively eo amin' ilay misy sofiny (mikarantsana kokoa ny feony fa manify ny hoditra); ny havanana kosa mively ny ilany amin' ny tsora-kazo kely tokony ho vehana (midoboka kokoa ny feon' io fa matevina ny hoditra aminy
Ohatra  5  Misy roa ny amponga: ny ampongalahy, izay fively amin' ny dihy, ary ny ampongavavy, izay fikapoka amin' ny hira. [2.436#]
6  ny olona rehetra mipetraka manodidina, mitehaka, hampahafana ny fon' ny tovovavy, manaraka ny hirany, mively ampongalahy. [2.357#]
Voambolana  7  Feon-kira: zavamaneno

Fivaditsoratra  8  ampingaloha, ampongalahy

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21