Teny iditra lahy
Sokajin-teny anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Teny entina milaza olona na biby mifanohitra amin' ny vavy. Raha itenenana olona ny hoe lahy dia fampiasa: 1) Hilazana zanaka lahy: Dimy mianadahy ny zanako; telo vavy, roa lahy. 2) Miaraka amin' ny teny milaza isa: Dia niainga izy roa lahy. 3) Ilazana ny vady lahy: Rasoa no ao fa ny lahy vao lasa nivoaka
Manana ny fomba na toetran-dehilahy: Hanao tantsambo hono ny zanany lahy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A male, a man; a husband
Masculine [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Mâle; homme; mari
Mâle, masculin [1.8]
  [Sakalava-Mayotte] Mâle [1.405]
Ohatra 
1Endrey, hoy ny lahy somary nihoraka; [2.470]
2lahy iray izay no mba azy, tsy mitoetra miaraka aminy akory fa lasa nihary any anindratany any [2.470]
3Dekona lahy sy vavy Analakely. [2.59]
4ombi-lahy mitrena an-tseranana [2.245]
Haiendriteny 
Tsotra : lahy, lahiko, lahinao, lahiny, lahintsika, lahinay, lahinareo, lahin', lahin-, lahim-
Tovonana : -dahy, -dahiko, -dahinao, -dahiny, -dahintsika, -dahinay, -dahinareo, -dahin', -dahin-, -dahim-
Sampanteny 
Tohi-kevitra 
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Anaram-poko 
Anaran' olona 
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Teny iditra lahy
Sokajin-teny tenim-piontanana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Tenim-piontanana enti-milaza:
1) Alahelo, tsy fanampoizan-javatra: Lasa tokoa lahy izy!
2) Fiangaviana na fangatahana somary miambezo: Mba omeo aho lahy!
3) Fisalasalana, tsy fahalalana: Asa lahy! fa tezitra foana teo izy
4) Faniriana: Raha nanam-bola aho lahy novidiko itỳ saha itỳ [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Used in phrases like: asa lahy!, tsara lahy!, maty lahy! [1.2]
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/19