| Teny iditra | 1 angadinomby |
| Singan-teny | 2 angady, 3 omby |
| Sokajin-teny | 4 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
5 Fitaovam-piasana tany taritin' omby, misy faritra efatra: 1) lelany roa mifanao ambony sy ambany ka ny iray mitsangana toa mandidy ny tany, ny iray mitsivalana mamakivaky ny tany; 2) vy mivohitra mamadika ny tany voavaky; 3) kodiarana iray na roa, ary 4) vy lehibebe lavalava iraiketan' ireo rehetra voalaza eo aloha
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
6 plow
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
7 charrue
[1.8, 1.13] |
| Voambolana | 8 Toe-karena: fambolena |
| Fivaditsoratra | 9 ambongadiny, angadinomby |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08 |
|