Teny iditra omby
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Antonona, sahaza (ka samy azo ilazana azy na ny toerana ampidiran-javatra na ny zavatra ampidirina amin' io toerana io): Be loatra ny olona nasaina fa tsy omby ny trano. / Ireo olona izaitratra ireo ve ho omby ao amin' io efitra kely io? [1.1]
 Antonona, sahaza ka samy azo faritana amin'ny io na ny ampidirana na ny ampidirina: Tsy omby ny tongony ilay kiraro / Tsy omby an' ilay kiraro ny tongony [1.62]
  [Sihanaka] antonona [1.78]
Fanazavàna teny anglisy Sufficient, enough, competent, large, spacious, roomy, reaching to, arriving at. It is also used for mby [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Suffisant, capable de contenir, qui contient; arrivé, rendu, entré dans: Omby olona roapolo ity trano ity (Cette maison peut contenir vingt personnes) ~ Tsy omby ny tongotro ireto kiraro ireto (Ces souliers sont trop petits pour mes pieds) ~ Nony omby tao an-trano izy... (Lorsqu'il fût arrivé à la maison...) [1.3]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 
Sary 

Teny iditra omby
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Biby lehibe ompiana, karazan' ny biby mampinono ary mandinika, misy tandrony roa ary trafony iray eo an-tampon-damosiny. (Teo amin' ny Ntaolo ka mandraka ankehitriny, dia anisan' ny harena lehibe ho an' ny olona ny omby; ny ilana ny omby dia ireto avy: vonoina hihinanana ny henany, terena hakana ny rononony, afahy hanatavezana azy (omby mifahy), ampitarihina sarety, akana zezika. [1.1]
 Biby lehibe tariky ny misy taolantehezana, mandinika, miteraka sy mampinono ka iray hatrany ny zanany na dia mety hiteraka kambana aza; ... [1.62]
Fanazavàna teny anglisy An ox, a cow, cattle. Bos indicus, Var. [swa. Ngombe.] see ombe. [1.2]
 A cow, an ox; cattle [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Boeuf, l'espèce bovine
Grossier qui ne sait pas la politesse [1.3]
 Boeuf [1.54]
 Boeuf, vache [1.8]
Marika iraisam-pirenena Bos indicus [3.1]
Fanazavàna teny italianina Bùe (lahy), vacca (vavy) [1.18]
Fanazavàna teny alemà Rind, Rinder: Mitrena ny omby (die Rinder brüllen) [1.56]
Anarana siantifika Bos indicus
Ohatra 
1Hay valan' omby tokoa no ao ary omby sivy no tsy maintsy havàhany sy havoakany hiraotra ahitra ery andrefam-bohitra [2.470]
2Ombiko ireo, nisy mpamosavy alika namoaka angamba ireo [2.472]
3Rahefa tsy ampy ny volan' ialahy, amido amiko ny ombin-tsaretin' ialahy [2.472]
4Ariary telo no nivarotako ny omby mifahiko (Jai vendu trente piastres le boeuf que j'avais engraissé) [1.3]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : omby, ombiko, ombinao, ombiny, ombintsika, ombinay, ombinareo, ombin', ombin-, ombim-
Sampanteny 
Tovy hevitra añombe ~ anomby ~ aombe ~ aomby ~ jaka ~ mbe ~ ombe
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Lohateny Kabary amin' ny Fanolorana omby ho an' ny mpandevina (Rasamuel Maurice)
Anaran-toerana 
Tsanganana sy sary iray takila Soratr' omby
Bikan' ny tandrok' omby
Ohabolana 
Lahatsoratra 
Fitanisam-boky Le Boeuf dans l' Ankaizina.
Madagascar: the zebu as guide through past and present
Habaka 
Scientific-web http://www.scientific-web.com/en/Biology/Animalia/Chordata/Mammalia/BosIndicus01.html
Zebu Nation http://www.raziasaid.com/standard/
Zebu Overseas Board http://www.zob-madagascar.org/
Sary 

Teny iditra omby
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Trano ataon' ny bibindandy [1.1]
 Trano ataon'ny bibin-dandy hisitrihany [1.62]
Fanazavàna teny anglisy  [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Action de faire le cocon, se dit des vers à soie [1.3]
Voambolana 
Sampanteny 

Teny iditra omby
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Sefo, lehibe [1.60]
Fanazavàna teny frantsay Chef, patron (le chef est fort comme un [...] [tohiny 1.60]
Tovy hevitra alezy ~ baibony ~ kala be ~ kalaina ~ kapta ~ katraka ~ laibany ~ mpanana ~ ngetroka ~ nôb ~ pata ~ pakta

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/19