Teny iditra | ange | ||
Sokajin-teny | kianteny | ||
Famaritana malagasy | kian-teny entina manaitra kokoa ny sain' ny olona antsoina na itenenana mba hihainoany tsara izay holazaina aminy: Etsy ange! Avia ange! Nahoana ange hianao no tsy mba nandeha! Jereo ange! Ahoana ange izany teninao? [Ravelojaona 1937] | ||
Kian-teny kely enti-manintona ny sain' olona iresahana ka mitaona azy amimpiangentsanana kely hanao zavatra na hanatona:
Jereo ange itỳ sariko ~ Avia ange hilazako zavatra e! ¶ Raha aorian' ny mpamaritra matoanteny manontany ny ange dia manamafy kely ny fanontaniana amim-pomba somary miangentsana: Nahoana ange no tsy valianao ny fanontaniako? [Rajemisa 1985] | |||
Fandikana anglisy | used to soften commands: Jereo ange (Look) [Hallanger 1973] | ||
Fandikana frantsay | qui sert à adoucir les commandes: Jereo ange (Regardez un peu!) [Hallanger 1974] | ||
Tsipelina hafa | angea ~ angeha | ||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||
Teny iditra | ange
![]() | ||
Sokajin-teny | anarana | ||
Fandikana malagasy | anjely: L'ange gardien (Ny anjely mpiambina) ¶ olona madio fo, olona lavorary [Malzac 1893] | ||
anjely ¶ olona tsara fanahy dia tsara fanahy. [Sims 1969] | |||
Voambolana | Fivavahana, finoana | ||
Mpanahaka | être aux anges | ||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |