Teny iditra ange
Sokajin-teny kianteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Kian-teny entina manaitra kokoa ny sain' ny olona antsoina na itenenana mba hihainoany tsara izay holazaina aminy: Etsy ange! Avia ange! Nahoana ange hianao no tsy mba nandeha! Jereo ange! Ahoana ange izany teninao? [1.10]
 Kian-teny kely enti-manintona ny sain' olona iresahana ka mitaona azy amim-piangentsanana kely hanao zavatra na hanatona: Jereo ange itỳ sariko ~ Avia ange hilazako zavatra e!
Raha aorian' ny mpamaritra matoanteny manontany ny ange dia manamafy kely ny fanontaniana amim-pomba somary miangentsana: Nahoana ange no tsy valianao ny fanontaniako? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Used to soften commands: Jereo ange (Look) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qui sert à adoucir les commandes: Jereo ange (Regardez un peu!) [1.8]
Ohatra 
1Ahoana ange izany? [2.285]
2Andramo kely ange! [2.528]
3Jereo ange, hoy izy. [2.499]
4Manahoana ange leiroa? [2.1022]
Kamban-teny 
Tsipelina hafa 

Teny iditra ange
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  anjely: L'ange gardien (Ny anjely mpiambina)
Olona madio fo, olona lavorary [1.4]
  anjely
Olona tsara fanahy dia tsara fanahy. [1.9]
Voambolana 
Mpanahaka  être aux anges

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/22