|
|
|
|

Teny iditra1  anikeo
Sokajin-teny  2  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.10] isan' ireo teny miforona avy amin' ny hoe any milaza fotoana izy ity, toy ny hoe: aninaraina, aninantoandro, anitontolo, ets. Mompera Callet mihevitra azy ho fanakambanana teny telo hoe any-ka-eo. Misy manoratra azy hoe anikeheo, nefa tsy hita izay mahamarina izany
4  [1.1][anikeHEo] Mpamaritra matoanteny enti-milaza fotoana vao haingana ao anatin' ny andro iresahana ihany
5  [1.62][anikeHEo] anondroana ny fotoana vao haingana, mialoha ny itenenana; tamin' ny fotoana vao lasa teo
Fanazavàna teny anglisy  6  [1.2] used in speaking of some part of the past day
7  [1.7] just now, a short time ago
Fanazavàna teny frantsay  8  [1.3][anikeHEo] dans la partie écoulée du jour présent, il n'y a qu'un instant
9  [1.8] tout à l'heure (temps passé)
10  [1.5] tout à l'heure (dans la partie écoulée du temps présent)
Ohatra  11  tonga anikeheo i dadatoanay [1.1]
12  Nodimandry aninkeheo maraina! [2.529]
13  nandalo teto izy aninkeheo fa tsy nahandry anao [1.62]
14  Sahala amin' ny tsy nisy ilay horakoraka aninkeo. [2.4]
15  Toky no omeko anareo, tsy hisy tabataba intsony, toy ny anikeo maraina. [2.270#]
Tsipelina hafa  16  aninkeheo, aninkeo
Mpanahaka  17  aninaraina

Fivaditsoratra  18  anikeo, enaiko

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02