Teny iditra ankamasinina (masina (hasina))
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Anaovana fombam-pivavahana mba ho masina, hahazo hery, fahefana: Hamasino ireto fanatitra ireto, Zanahary ô!
Hajaina, tsaohina: Hohamasinina anie ny anaranao [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on consacre, qu’on sanctifie, qu on bénit, qu'on adore, qu’on honore, sur quoi on s'appuie. [1.3]
Ohatra 
1Tsy misy izany, ry ise hoy ilay manamboninahitra, fa ny Andriana no mamy ary ny teniny no ankamasinina, ka ny mandeha tsy zoto, ary ny mijanona tsy laina, fa raharaha ifanomanana, ka izay mety sy ifanarahana no atao. [2.587]
2Noho izany, nadio fitondran-tena izy, tamin' ny namoahan-dRanavalona II ny Lalàna (Andininy faha-8) nandrara ny fampirafesana, sy ny Lalàna nanao ho andro ankamasinina ny andro alahady, tao an-tempoly, ho an' ny protestanta, tao am-piangonana, ho an' ny katolika. [2.270]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : ankamasinina, ankamasiniko, ankamasininao, ankamasininy, ankamasinintsika, ankamasininay, ankamasininareo, ankamasinin', ankamasinin-, ankamasinim-, ankamasini-
Ny lasa : nankamasinina, nankamasiniko, nankamasininao, nankamasininy, nankamasinintsika, nankamasininay, nankamasininareo, nankamasinin', nankamasinin-, nankamasinim-, nankamasini-
Ny hoavy : hankamasinina, hankamasiniko, hankamasininao, hankamasininy, hankamasinintsika, hankamasininay, hankamasininareo, hankamasinin', hankamasinin-, hankamasinim-, hankamasini-
Filaza mandidy : ankamasino
Tovy hevitra hamasinina

Nohavaozina tamin' ny 2024/02/19