Teny iditra masina (hasina)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Mahomby, mandaitra, mahasitrana: Masina io fanafody io raha atao ody poizina
Voatokana ho an' Andriamanitra, ampiasaina amin' ny fanompoam-pivavahana, mikasika ny fivavahana: Ny otely masina ~ Ny soratra marina ~ Olo-masina
Mendrika hohajaina, tsy azo zimbazimbaina, manan-jina: Masina ny tanindrazana, [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Holy [1.2, 1.7]
 Consecrated, sanctified; in reduplication it means saltish [1.2]
 Sacred; possessing "mana" or supernatural power [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Saint [1.8, 1.196]
 Sacré; qui possède ou transmet une force surnaturelle [1.8]
 Efficace, sacré [1.196]
Ohatra 
1Olona iray main' ny afo no mitalaho fivavahana amin' ny velona, amin' ny alalan' ny sapile sy sorona masina. [2.470]
2Masina, ry Nosim-Baliha!... [2.471]
3Andro androan-drano mafana, anaterana tsihy masina ny razanandriana; [2.48]
Haiendriteny 
Tsotra : masina, masin-, masim-, masi-
Filaza mandidy : masìna
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Tsipelina hafa 
Ohabolana 

Teny iditra masìna (hasina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny mpamaritra masina [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Teny iditra masina
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Bezanozano, Sihanaka, Tanala] marikivy [1.78]
  [Sihanaka, Tanala] makirana [1.78]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : masina, masin-, masim-, masi-
Ny lasa : nasina, nasin-, nasim-, nasi-
Ny hoavy : hasina, hasin-, hasim-, hasi-

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/14