Teny iditra antsakany sy andavany
Singan-teny an-tsakany ; an-davany
Sokajin-teny kambanteny
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza fahalavorarian-javatra na fanaovan-javatra tanteraka, izany hoe vita tsara amin' ny lafiny rehetra, amin' ny sakany sy ny lavany: Nahavita an-tsakany sy an-davany ny adidiko amin' ireto kamboty ireto aho [1.1]
Ohatra 
1Mahatanteraha antsakany sy andavany izay nokendrena. [2.499]
2Ary dia ho tanterahiny antsakany sy andavany rahatrizay ka tafaverina any Madagasikara izy. [2.356]
3Ny karatra, ny hetra, ny fanatontosana ny raharaham-panjakana, ny filaminana, ny asa, ny fanarahan-dalàna an-tsakany sy an-davany, ny fanatanterahana izany rehetra izany no tadiaviko [2.472]

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/20