Teny iditra aterana (atitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza ny olona omena na itondrana zavatra, fa ilay zavatra omena kosa na entina atao hoe "aterina": Nateranay akoho mifahy ry dadabe tamin' ny fety. (Akoho mifahy no naterinay ho an-dry dadabe tamin' ny fety [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Used of the person to whom anything is sent, etc. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay A qui on offre, on porte [1.3]
Ohatra ka efa niamboho Andriamasinavalona : aterana vola, aterana voahangy, aleha ny zanak' andriana rehetra eo mamono ombivolavita, entina hangataka aminy Andriamasinavalona, raha tsy misy ranonorana. [2.48]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : aterana, aterako, ateranao, aterany, aterantsika, ateranay, ateranareo, ateran', ateran-, ateram-, atera-
Ny lasa : naterana, naterako, nateranao, naterany, naterantsika, nateranay, nateranareo, nateran', nateran-, nateram-, natera-
Ny hoavy : haterana, haterako, hateranao, haterany, haterantsika, hateranay, hateranareo, hateran', hateran-, hateram-, hatera-
Filaza mandidy : atero
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/16