Teny iditra avonavom-pitia
Singan-teny avonavona ; fitia
Sokajin-teny kambanteny
Ohatra L'après-midi, ce sera une autre tournée de démonstration. Avec des genres comme le Tafam-pitia na Avonavom-pitia, qui se jouera entre un homme et une femme, ou encore le Dontany sy kapotandroka, un trio de virulence verbale en perspective [4.7.20120616]
Tovy hevitra tafam-pitia
Lohateny Avonavom-pitia

Teny iditra Avonavom-pitia
Singan-teny avonavom-pitia
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tantara fohy)
Mpanoratra Zanell J.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra Hono, ry tsikirity amoron-dalana; ry vero aman'ampanga an-tsisim-boly: Nandalo teto ve Andriantsoa mora tia, mora tofoka? Ka inona no dinika nolazainy, inona no hafatra napetrany? Mbola tia, mbola manina ve, hono, izy, no migogogogo toa zazakely, ary s midradradradra tsy mahalala menatra? Nahoana no omaly mampitamby sy mampifilafila, ka anio ihany dia mifona sy milela-paladia? Tsy mbola nilaozako tandavan-taona ka mimenomenona sahady hamerina. Lazao azy, ry vonin'avoko an-tampon-tanety; ambarao azy, ry ahitsorohitra an-kalamanjana, raha mbola misy fitia tsy levona'o hoe any, saingy sendaotra tamim-pahatezerana, dia tsy omeko tsiny, tsy omeko fondro, fa rehefa mivalo sy migirasy tamin'ny fahadisoana dia avelako. Kibo tsy sosotra aman-kavana no aty, ary fo tsy mitahiry lolom-po, ka rehefa niady maraina dia tsy menatra hangata-pihavanana hariva. Izany, hono, no fahendrena, izany no fananan-tsaina.

valiny

Henoy, ry tsikirity mpitondra hafatra sy ry vero mpitondra dinika.

Izao lazaina, izao ambara amin-dRadalampitia. Tsy nitomany, tsy nigogogogo Andriantsoa hoe, fa nibitaka sy nifaly. Olona nitondra mafy sy nilonjy fahoriana izy, ka tsy mahatoha ny kobaka am-bava, tsy mahalaitra ny votena an-tenda. Ny hanambitamby na hanolikoly, hono, dia atao fady, atao sanatria. Tovolahy tanora ary zatovo maitso volo aho, rahavana, ka mora manova. Tsy mihevitrà izay efa nilaozana aho, rahavana, ary tsy mitambitamby amin-javon' Ankaratra. Bitsiho azy, ry avoko endriky ny lemaka, ary dinidiniho aminy, ry ahitsorohitra ravaky ny tampon-tanety: tsy tia tsy manina intsony, hono, izy fa ny teo aza nanenenany. Aborahy aminy tsara fa tsy fahatezerana izany na fahasosorana fa avonavom-pitia. Izay efa nahita ny toe-dratsy, hono, dia tofoka, ka ny fo zaka no entina mody ary ny fo feno eritreritra no entina mianjona. Ka dia veloma aminy mandrakizay, masina aminy mandra-pahafatiny.


Nohavaozina tamin' ny 2023/10/30