Teny iditra baiboho
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy [ baibo ] [Betsileo] tany lemaka fasehina sy lonaka eo amoron-drano, ka matetika dia voasaron-drano amin' ny fahavaratra; tsara amin' ny fambolem-pary, paraka, katsaka, voanjo, ets.; tanimbary sady lehibe no tsara sy mahavokatra [Randzavola: Baiboly]
 Tanety, indrindra ny amorona ivaiva [Rajemisa 1985]
 tany lonaka apetraky ny tondra-drano misintona [SLP 1986]
Fanazavàna teny anglisy [ baibo ] [Provincial] a field, a plantation near the water. See saha [Richardson 1885]
Fanazavàna teny frantsay terre alluvionnaire, terre fertile de décrue [SLP 1986]
Voambolana 
Ohatra tany baiboho sy tanety mitsotra manara-dalana, mirefy tokony ho folo kilaometatra ny lavany [Andraina: Mitaraina, takila 155]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31