Teny iditra baria
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ombidia, ombimanga. Amin'ny Antakarana any Vohémar kosa, ny baria, na varia, dia vala, fahitra, ary ny omby ompiana ao am-bala na fahitra dia atao hoe "omby am-baria". Dia misy fitenenana hoe "Omby am-baria: sady lalao no harena" [1.10]
Ohatra Mitroatra ihany ny baria (omby) fa rehefa voakendan' ny mpitolona, mirehoka. [2.587]
Voambolana 
Kamban-teny 

Teny iditra baria
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Mpiasa amin'ny botry na sambo; matilò
Mpikarama manao asa vaventy
Mpiasa madinika ao an-trano [1.10]
Fanazavàna teny frantsay  [Tankarana] Matelot [1.19]
Voambolana 
Tovy hevitra baharia

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/12/31