|
|
|
|

Teny iditra1  baribariana
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 tsy mbola mandroso amin' ny fombam-piainana ambony, tsy mahalala fomba: Raha tsy otona baribariàna ka hanao ny tongotra eny ambony fiankinana amin' ny seza !
4 masiaka sy tsy mamindra fo: Olona baribariàna no nahavita izao vonoana mahatsiravina izao [1.1]
5 Fomba fiteny fahiny io ary tsy nanan-kevitra ny hanambany ny Bara akory fa fanavahana ireo afaka nianatra sy ireo tsy mba nandia fianarana fotsiny. [1.353#I]
Fanazavàna teny frantsay  6 barbares [1.3]
Ohatra  7  Ny fifanarahany tamin' ny Englisy no nampandroso azy mihoatra noho ny manodidina azy izay samy baribariana na ny mpanjaka na ny vahoaka. [2.113]

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08