Teny iditra | 1 basivava |
Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.78] [Betsimisaraka]
bevava, maresa-bava, olona tia miresaka ary tsy mety reraka miteny ka tsy misy andraisan'ny hafa 4 [1.1] mahery miteny, tia miteny tsy an-kijanona, olona mpiteniteny izaitsizy, mipoapoa-bava toy ny basy: Tsy nahita olona basivava ohatra an' iny Rakoto iny aho: izany lahy ka azy irery ny fitenenana mandritra ny adiny iray Olona mpilaza habobo, mpirehaka Olona tsy mahatam-bava ka milaza izay tsy tokony bambara: Ise indray izao, Rabary, no basivava nitantara izany tany amin-dry zoky tany |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2, 1.7] loud-mouthed 6 [1.2] noisy 7 [1.7] indiscreet |
Fanazavàna teny frantsay |
8 [1.8] hâbleur, indiscret |
Ohatra |
9 [2.5#] Vorona mba basivava! 10 [1.437#] Tonga basivava sy miantsambotsambotra erý ny mpanao fanorona. |
Singan-teny | 11 basy, vava |
Tovy hevitra | 12 vavàna |
Lohateny |
Fivaditsoratra | 14 basivava, Basy Vava, vavabasy |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |