Teny iditra borosy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Volom-biby vita fiasana mba hamaohana zavatra na ho fanalana loto toy ny kifafa, na ho fanosoran-doko [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Brosse
Pinceau [1.3]
Ohatra 
1Ampiasana borosy ny lamba sarotra kosehina. [2.117]
2Lalo-by na lalotra borosy madio ivelany no hatao amin' ny trano; [2.470]
3Andeha hoe handramana, ka penina no hatao borosy, ary teny no loko. [2.285]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ny fihaviany Frantsay: brosse.

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11