Teny iditra fafazana (fafy)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza ny toerana asiana fafy, voam-bary na voan' anana apariaka amin' ny tany mba haniry: Hofafazako vary itỳ tany itỳ
Asiana: Nofafazany tehamoina ny zanany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be sown. Used in speaking of the land on which the seed is cast. [1.2]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : fafazana, fafazako, fafazanao, fafazany, fafazantsika, fafazanay, fafazanareo, fafazan', fafazan-, fafazam-, fafaza-
Ny lasa : nofafazana, nofafazako, nofafazanao, nofafazany, nofafazantsika, nofafazanay, nofafazanareo, nofafazan', nofafazan-, nofafazam-, nofafaza-
Ny hoavy : hofafazana, hofafazako, hofafazanao, hofafazany, hofafazantsika, hofafazanay, hofafazanareo, hofafazan', hofafazan-, hofafazam-, hofafaza-
Filaza mandidy : fafazo

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20