Teny iditra fahaizana (hay)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Zavatra hay, fantatra: Olona be fahaizana, hono, iny tovolahy iny
¶ Fahalalana voafototra ary ara-tsaina mikasika zavatra iray: Ny fahaizana momba ny marika
¶ Fahafahana manao zavatra: Ny fahaizana mamaky teny sy manoratra
¶ Hakingana: Nampiseho fahaizana lehibe izy tamin' izany raharaha izany
¶ Fitambaran' ny fahalalana takatry ny sain' ny olombelona mikasika ny zavaboary, ny lalàna mifehy ny zavaboary, sns., izay hitan' ny olo-mahay ombieny ombieny, ka mahatonga ny fiainan' ny taranak' olombelona handroso hatrany: Na manao ahoana na manao ahoana, tsy hahafoana an' Andriamanitra akory ny fahaizana satria ny zavatra nataon' Andriamanitra ihany no dinihiny sy fakafakainy. [Rajemisa 1985]
   ¶ fahaizana mifandray: fahaizana miara-miaina amin'ny hafa [SLP: Voambolana]
Famaritana anglisy   ability, cleverness, competency to do anything. Sometimes pronounced fahahaizana. [Richardson 1885]
   ability, skill [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   capacité, habilité [Hallanger 1974]
Famaritana frantsay   savoir
¶ fahaizana mandanja: maîtrise de la technique de la pesée. [Voambolana: Fizìka]
¶ fahaizana mifandray: capacité de relation
¶ fahaizana mifehy ny fihetsika: faculté de maîtriser les gestes. [Voambolana: Fanatanjahan-tena] [SLP: Voambolana]
Ohatra  
1Hay ny fahalalana sy ny fahaizana mety miray dia amin' ny halozana! [Andraina: Mitaraina, takila 247]
2Tsy mahay taratasy I Lidy ary tafatsatoka tao an-tsainy ny lanjan' ny tsy fahaizany. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 166]
Ny bikany  
fahaizana
fahaizako
fahaizanao
fahaizany
fahaizantsika
fahaizanay
fahaizanareo
fahaizan'
fahaizan-
fahaizam-
fahaiza-
-pahaizana
-pahaizako
-pahaizanao
-pahaizany
-pahaizantsika
-pahaizanay
-pahaizanareo
-pahaizan'
-pahaizan-
-pahaizam-
-pahaiza-
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Nohavaozina tamin' ny 2013/12/17