Teny iditra fahatsiarovana (tsiaro)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy fitamberenan' ny zavatra na olona hita na fantatra tamin' ny andro lasa ao an-tsaina indray: mbola velona ato ampoko ny fahatsiarovako an' i Neny
¶ zavatra omena olona mba tsy hanadinoany ny tena, na ny toe-javatra iray niarahana: omeko anao itỳ boky itỳ ho fahatsiarovana ny niarahantsika niasa [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay la mémoire, le souvenir [Abinal 1888]
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Mpanahaka  fahatsiahivana ~ fahatadidiana ~ dindo ~ tsangambato ~ orimbato
Ohatra 
1-- Fahatsiarovana sisa no itadidiana ny fisian-dRainitoandro teo amin' ny fiainana fahiny. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 95]
2Antambo anankiroa tena hadinoko tanteraka taoa an' eritreritra ireo, ka nanorisory ahy fatratra ny fahatsiarovana azy tampoka. [Andriamalala: Ranomasina, takila 32]
3Anisan' ny tafiditra tamin' ny fandaharam-potoana fankalazana sy fahatsiarovana ny famakiana ity tononkalo ity. [Andraina: Mitaraina, takila 264]
Teny nalaina 

2013/10/26