|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  tsangambato
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Vato ajoro ho fahatsiarovana miaramila maty an' ady tany lavitra ka tsy hita ny taolambalony
4  [1.62] vato lehibe ajoro ho fahatsiarovana ny olona maty tany an' ady na noho antony hafa ka tsy hita ny taolambalony
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.2] a gravestone, cenotaph, tombstone; a stone set up on end as a memorial of some event
6  [1.7] a monument
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.8] pierre ou monument commémoratif
Ohatra  8  Vorodamba efa tontan' ny ela no misarona ilay tsangambato (A. Rajon)
9  [2.499] lo no tsangambato tsy levona mariky ny nanapahan' ny Hova azy.
10  [2.508] Maro ny tsangambato navelany izay ataon' ny olona hoe Vatonkimosy.
11  [2.472] Nanorina tsangambato teo akaikin' Ambaiboho, teo amin' ny moron' i Sahabe, ny mponin' Antsihanaka atsimo, ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana aminy namoy aina tao amin' ilay renirano manan-tantara.
Singan-teny  12  tsangana, vato
Tovy hevitra  13  vatolahy
Lohateny  14  tsangambato
Teny nalaina  15  Soratra misy io teny tsangambato io
Sary 
16 

Teny iditra (2/4)17  tsangambato
Sokajin-teny  18  anarana
Fanazavàna teny malagasy  19  [1.1] Zavatra tokony hotsarovana, asa mendrika hotadidina, andro lehibe na malaza tsy hohadinoina
20  [1.62] asa mendrika hotadidina sy hotsarovana mandrakariva, andro manan-daza tsy tokony hohadinoina
Ohatra  21  [1.1|1.62] Ny boky no tsangambato avelan' ny mpanoratra ho an' ny taranaka
Singan-teny  22  tsangambato

Teny iditra (3/4)23  Tsangambato
Sokajin-teny  24  anarana (lohatenin' boky) [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  25  [1.59] Pendant son incarcération, [Randriamaromanana] a écrit un livre Tsangambato, où il laisse des conseils, des réflexion sur la philosophie malgache, sur le pouvoir, la culture. Cet ouvrage est encore inédit.
Voambolana  26  Haisoratra: boky
Mpanoratra  27  Randriamaromanana Albert

Teny iditra (4/4)28  Tsangambato
Sokajin-teny  29  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Voambolana  30  Haitoetany: tanàna
Singan-teny  31  tsangana, vato

Fivaditsoratra  32  Tsangambato, tsangambato

Nohavaozina tamin' ny 2025/05/11