Teny iditra fanaja (haja)
Sokajin-teny anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Fomba entina manaja, manome voninahitra
Azo hajaina, tokony hohajaina: Fanaja ny volo fotsy, rankizy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu’on doit honorer, honorable, la manière d’honorer [1.3]
Ohatra 
1Raha mba fanaja ihany ny zanakay fa olona, efa manana ny fomba niraisana ela isika raha hanala dika fahadisoana vita, dia io Fafy nangatahina teo io. [2.245]
2Na inona na inona aloha zavatra mikasika ny fiainana, ny isam-pirenena na isam-paritany samy manana ny fomba amam-panaony, izay fanaja raha mbola mihevi-tena ho olona koa ilay manao sy raha mbola heverina ho olona koa ilay manao sy raha mbola heverina ho olona koa ilay anaovana. [2.472]

Teny iditra fañaja
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Tanosy] rakitra, fananana [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/13