Teny iditra | 1 fanambadiana |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.78] [Tanala]
vady: Manaña fanambadiana hanañan'anaky fa ñ'ajaja no anañan'ila ko (n'ila no mandofo maty (manana vady hananan-janaka fa ny zaza no ananana olon-kanampy amin'izay mahatery) 4 [1.1] Fikambanan' ny lehilahy sy vehivavy mifanaiky hiara-kanorina tokantrano araka ny lalàna sy ny fomban-tany mba hahazo taranaka. (Amin' ny Malagasy, ny fanambadiana dia misy dingana efatra: ny fisehoana na fiantranoana, ny fangatahana, ny fanateram-bodiondry ary ny fampakarana) |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.7] marriage, the married state |
Fanazavàna teny frantsay |
6 [1.3#797, 1.8] mariage 7 [1.3#797] l'action d'épouser, le motif 8 [1.8] la vie de ménage |
Ohatra |
9 [2.606] Tonga ny zoma hanaovana ny fanambadiana. 10 [2.529] Fa ny anareo sy Sahondra no fanambadiana marina? 11 [2.643] Toa moramora aminao ery izany handrava fanambadiana, ry Mavo. |
Fototeny | 12 vady |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Lohateny |
Ohabolana | 25 Ohabolana misy io teny fanambadiana io |
Lahatsoratra |
26 Randzavola: fanambadiana ao amin' ny Baiboly |
Nohavaozina tamin' ny 2025/05/07 |
![]() |