Teny iditra | fandaharana (lahatra) | ||||||||
Sokajin-teny | anarana | ||||||||
Famaritana malagasy | Fametrahana olona na zavatra mahitsy tomandavana:
ianao no mikarakara ny fandaharana ny mpianatra ¶ Fandaminana: Aorian' ny fiarahabana dia fanolorana ny saotra no hataontsika, araka ny fandaharana ¶ Fanaovana kabary na lahateny: Tsy azoazoko ny fandaharan-dRangahy io teny fa toa ny efa voalaza ihany no averimberiny [Rajemisa 1985] | ||||||||
fandaminana atao mba hampizotra tsara ny fanatanterahana raharaha iray ¶ fandaharana voalanja: fotoana tsy voafaritra mazava ¶ fandaharana voavaha: fotoana voafaritra mazava [SLP 1986] | |||||||||
Fandikana anglisy | the act of arranging or lining up; the delivery of a speech; the setting of type; a list; a program [Hallanger 1973] | ||||||||
Fandikana frantsay | action d'arranger, de mettre en ligne action de donner un discours; action de composer en imprimerie; liste, programme [Hallanger 1974] | ||||||||
rangement; programme ¶ fandaharana anaty erana: rangement dans l'espace. ¶ fandaharana anaty lemaka: rangement dans le plan. ¶ fandaharana tanteraka: ordre total. ¶ fandaharana tsy tanteraka: ordre partiel. ¶ fandaharana voalanja: chronologie relative ¶ fandaharana voavaha: chronologie absolue ¶ fandaharan-tsakafo indray homana: menu [SLP 1986] | |||||||||
Endriteny |
| ||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |