|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  fandaingana
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Tsy filazana ny marina mba hamitahana olona: Zava-dratsy ny fandaingana fa hoy ny Ntaolo: Aleo mifanena amin' ny mpamosavy toy izay mifanena amin' ny mpandainga
Fahadisoan' ny mizana izay mahatonga azy hilaza lanja ratsy: Tsy anerany izany fandaingan' ity mizananao
Fototeny  4  lainga

Teny iditra (2/2)5  fandaingana
Sokajin-teny  6  anarana
Fanazavàna teny malagasy  7  [1.1] Ilay lempona kely eo amin' ny takolaka ambanimbany izay hita miseho tsara rehefa mitsiky
Fanazavàna teny anglisy  8  [1.2] A dimple on the face, a dimple in the cheeks when laughing.
Fanazavàna teny frantsay  9  [1.3#145] petit enfoncement sur la joue, fossette
Ohatra  10  [2.357#] Mahafatifaty avokoa ny eny aminy, na ny fitopin' ny masony mibaliaka, na ny fiampokampoky ny volony matevina, na ny fihifitrifitry ny fandaingana eo amin' ny takolany, na ny filantolanton' ny tanany.
11  [2.529#] Na ny mpampianatra ahy, na ny mpiara-monina amiko, indrindra ireo niray ankohonana tamiko, dia tsy nisy nahatahiry hatezerana tamiko, raha vao mahita ny fandaingana teo amin' ny takolako sy ny fisahondrahondran' ny voloko misaritaka.
Voambolana  12  Haiaina
Fototeny  13  lainga

Fivaditsoratra  14  fandaingana, fidanganana

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21