|
|
|
|

Teny iditra1  fandiafasika
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Karazam-boronkely mahafinaritra izay matetika mandeha tsiroaroa ka manainganainga volombody matetika eny am-pandehanana; eny amin' ny fasika eny amoron-drano no ahitana azy matetika ka izany no nahatonga ny anarany, izay atao koa hoe lavasalaka na triotrio, salahy, seritse
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] a species of sandpiper. Actitis hypoleucus , L.
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.54] guinette
Ohatra  6  [1.262#helokaroaambinnyfolonatsymipepo] Iny mivoaka avy ao Ramatoa Ravoahirana, nitsipitsipika toy ny fandiafasika nahazo remby, mivimbina ravin-damba sy haingon'akanjo avy novidina teny amin'ny magazain'Iarivo.
Voambolana  7  Haibiby: vorona
Singan-teny  8  fandia, fasika
Anarana ara-tsiansa 

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/08