Teny iditra Heloka roa ambin' ny folo na ''tsy mipepo'' (heloka, roa, amby, folo, pepo)
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tantara fohy)
Fanazavàna teny malagasy Anisan' ny mpanoratra tantara foro-nina mahay mitsikera toetr' olona aoka izany Ramangamalefaka - anarana indrana nentin' i Alfred Ramandiamanana (1886 - 17 Mey 1938). Eto amin' ity "Heloka roa ambin' ny folo na Tsy mipepo" ity, dia toetr' olona toa mahatsikaiky no tsikerainy. Maro ka-razana ny fitiavan-tena - na ny mari-marina kokoa angaha maro akanjo itafiana ny fitiavan-tena; anisanny fisehoany hafa kely ity eto amin' ny sombin-tantara ity. Hita marimarina izao fa zavatra tsy mahomby no mba irin' ilay dadatoa hofongorina ao amin' izy mivady alohan' ny hananganany azy ho zanaka, nefa dia mahatsikaiky ny afitso-dRavoahirana: raha mikasika ny tenany ny fitenenana (momba ny fihetsiny, ny fihaingoany diso fampana, ny didy akanjony...), odiany jamba sy marenina, fa raha mikasika olon-kafa kosa - na ny vadiny aza - izy no mila-tsaka ho vavolombelona mpandentika. [2.313]
Mpanoratra Ramangamalefaka (Ramandiamanana Alfred), 1923/02/23
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra ...

Tonga eo am-bavahady ny posy ka apetraky ny borizano. Iny mivoaka avy ao Ramatoa Ravoahirana, nitsipitsipika toy ny fandiafasika nahazo remby, mivimbina ravin-damba sy haingon'akanjo avy novidina teny amin'ny magazain'Iarivo. " Tsy mbola tonga ihany angaha ny kalesin-dalamby avy any atsimo, hoy ny fanontaniany. Tsy andriko izany hiverenan-dRajao" ! Ndrematoa Rajao vadiny dia lasa hatry ny afak'omaly, fa Ingahy Rakotoasimbola anadahin-dreniny dia mpanankarena ngezalahy ao amin'ny tapany atsimo. Tsy mba niteraka izy ary tsy mba nanangan-jaza koa, nefa ny fahanterana sy ny fahosana mandroso isan'andro. Rajao no hany zana-kavany tandrifin'ny hatsangany; nefa sampona lava ny fanjanahany azy ara-dalàna, satria Rangahy moa zanak'antitra mararirarin'ny fandanian-karena foana; Rajao tokony handova azy kosa, tanora fantezy tsy mitety ny lany sady fanteziam-piainana avo sasaka, satria izy sy Ravoahirana vadiny dia tena mpivady mifanara-tsaina tokoa, fa "tsy mipepo" ! hoy ny fitenin'ny lahy, " izay alehan' ny ory alehan'ny tsy manana " , hoy kosa ny fihenahenan'ny vavy, rehefa mifaninana amin'ny rendrarendrany isan-karazany izy.

Noho izany, dia nihevaheva lava teny ny fananganana an-dRajao. Tsaroan'ldadakoto mandroso ihany anefa ny fahosany, ka dia io izy nanafatra an-dRajao hianatsimo io. Tafaverina avy any Ramose, ka izao no lanin-dresak'izy mivady:
-- Ravoahirana: Nanao ahoana ny dia? Azo ve i Dadakoto?
-- Rajao: Toa tsy hiady ny resaka: nanaiky ny hanangana ahy izy, kanefa zavatra betsaka no asainy ampanantenaiko azy fa hofadiko sady tsy maintsy ialana dieny izao, hono. Tsy vatrako fa heloka roa ambin'ny folo mahafaty!
-- Ravoahirana: Ahoana avy anefa, ry ise?
-- Rajao: Tsy hisotro toaka intsony, hono, fa ravimboafotsy sy ranon'ampango no hibobohana!
-- Ravoahirana: Izany ve ataonao hoe heloka roa ambin'ny folo mahafaty? Fahasoavana roa ambin'ny folo mahavelona koa! Samy levon'io toaka io anie ny tokantranontsika sy ny fahasambarana e! He ity ianao maitso kely toa tsy hahatafita ririnina!
-- Rajao: Tsy hiloka, hono. Handao ny naman-dratsy nahazatra.
-- Ravoahirana: Totoim-bintana inona re no tsy anarahana izany hevitra tena hendry izany e? lo loka io ihany izao tsy mba itoviana amin'olona izao.
-- Rajao: Tsy ho adalan-kaingo, hono, fa fotsy sy volontany no ampifandimbasina. Andro indraindray no mipaka lopotra.
-- Ravoahirana: Inay àry ny anao! Izaho moa raha miteny izany, atao hoe mipentsompentsona. Tsy azonao lavina izany, ary bintsy aza no hozairiko hataonao komple, fa aoka izay ny fandaniam-bola amin'ny vorodamba!
-- Rajao: Ny tehina, sigara, solomaso, havela daholo, hono!
-- Ravoahirana: Marina anie izany, Rajao ô! Indrindra fa iny solomaso mainty iny, hopotehiko mihitsy, fa iny ihany no anaovanao jery sompirana mahasoso-paty!
-- Rajao: Tsy ho posiposy lava koa, hono!
-- Ravoahirana: Io ihany no itenenako isan'andro! Maina ny andro: mafana ka posy e! Mangatsiaka ny andro: ngoly ka posy e! Avy orana: petsapetsa ka posy e! Mafana ny andro: mahamay ny tany ka posy e! Ny andro sy fotoana rehetra, lazainao fa antony ilana posiposy avokoa. Marina ny azy!
-- Rajao: Tsy hody alina, fa raha vao mirava any am-piasana dia aty an-trano.
-- Ravoahirana: Adray! Tena ray niteraka iny fa tsy mba rafozana. Tsy mba hanao azy hoe Dadakoto intsony aho fa i Dada mihitsy. Tsy maintsy ekenao daholo ny teniny, fa ny ana-dray aman-dreny anie ka tsipak'ombalahy e!
-- Rajao: Tsy handany vola amin'ny dihy, sinema ary ny karazany isika.
-- Ravoahirana: (taitra) Diso fihaino angaha ianao, fa ianao no lazainy amin'izany.
-- Rajao: Tsia tokoa. Isika mivady, hono, no mahery mandany vola amin'izany.
-- Ravoahirana: Aiza kosa ka dia izaho avy no hihafy amin'izany! Hevitra mba diso kely iny.
-- Rajao: Tsy hanao fitafiana mampiseho tratra sy zipo mifingafinga hono.
-- Ravoahirana: (mianjona) Hadalana ny azy!
-- Rajao: Tsy hahery hanao solon-tandra sy ny tentina isan-karazany, hono.
-- Ravoahirana: Mivadika atidoha iry lahy antitra!
-- Rajao: Tsy hahery hanolam-bolo. Tsy hanao fitafiana elatr' angidina manafintohina.
-- Ravoahirana: Marary adala iry rainareo!
-- Rajao: Hiala eto larivo, ka hamelo-maso ny any atsimo, hono, isika.
-- Ravoahirana: Nanana izay rafozana gidron'olona Iza akory no hanao an'iny hoe Dadakoto fa Babakoto! Ny fihetsiketsehana, hono, hajanona! larivo kely, hono, hilaozana! Tsy mipepo amin' izany izahay, ry Babakoto a!

Nifampitodika izy roa, nifampisakambina dia indreny niaraka niraidraika tao anatin'ny onjam-posiposy!

Nikohona fotsiny Rasikida nahita izany rehetra izany. Dadakoto moa no haninona, hoy izy, fa ianareo tsy hanan-ko anareo!
[Ny Tanamasoandro, # 52, 1923/02/23]

...


Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02