Teny iditra | 1 fihavanana |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.62#384] fiombonana an-tsaina sy fo ary fanahy izay tsy voatery ho eo amin' ny olona manana rohim-pifandraisana araka ny ra ihany fa na dia eo amin' ny samy hafa fianakaviana sy fihaviana aza. Fifankatiavana lalim-paka nifamatoran' ny mpiaramonina teo anivon' ny ankohonana, fianakaviana, namana sy tapaka ary fokonolona: Tandrovy mandrakariva ny fihavanana fa ny maty aza te ho maro ~ Ny fitia mifamaly no mahatsara fihavanana |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] blood relationship; friendship, comradeship |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.54] lien de parenté 6 [1.8] parenté de sang; amitié, bonnes relations |
Ohatra |
7 [2.528#] Vao mitsidi-doha ny fihavanana, dia tapahin-doha ny havana! 8 [2.606#] Ny fitandroana ny fihavanana no endri-panabeazana voalohany. 9 [2.366#] Fa izahay tsy hivezovezo fa ny fihavanana tokoa no nalehanay. |
Fototeny | 10 havana |
Kamban-teny |
|
Anaran' olona |
|
Lohateny |
Ohabolana | 26 Ohabolana misy io teny fihavanana io |
Fivaditsoratra | 27 fihavanana, fivanahana |
Nohavaozina tamin' ny 2025/04/25 |
![]() |