Teny iditra filoha (loha)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Olona nofidina na notendrena ho lehibe sy mpitarika fikambanana iray na firenena na antoko: Ny filohan' ny Nosy. / Noraisin' ny filohan' ny fikambanan' ny mpanao gazety izy (Mazàna ny lehiben' ny antokon-draharaha kosa na ny tompon' andraikitra amin' ny sokajin-draharaha iray, dia atao hoe Tale) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The head, the director [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Chef, directeur [1.8]
Ohatra 
1Anambaran' ny vahoaka ny hetahetam-pony ny filoha. [2.445]
2Nanendry filoha vaovao isam-pianakaviana i Fohiloha. [2.508]
3Ny Minisitra misahana ny Fitsarana no Filoha lefitra. [1.320]
Haiendriteny 
Tsotra : filoha, filohako, filohanao, filohany, filohantsika, filohanay, filohanareo, filohan', filohan-, filoham-
Tovonana : -piloha, -pilohako, -pilohanao, -pilohany, -pilohantsika, -pilohanay, -pilohanareo, -pilohan', -pilohan-, -piloham-
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/25